Hampiditra sary Nampiditra : gasywave13
Daty : 29/01/2007 02:14
Nijery : 575
Tononkalo: 0 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

mpisento takariva

"LAVITRA IANAO ..."
Lavitry ny fo, tokoa izao ianao,
vao mifikitra ao an- doha, ny anaranao,
tadidiko mantsy ilay andro, tokana iray,
nozaraiko taminao, tsy ho maty mandrakizay.

Rahoviana indray isika, vao ho mpifankatia,
ho tafaraka ,sy mba hiara dia,
toa tsy andriko intsony,ty foko efa maratra,
mahatsiaro anao foana, adin- tsaina tsy laitra.

Izaho matoky, fa ny fitia hanjaka,
tsy hisy hanakana, tsy hisy hanapaka,
fa ny olon' ory tsy natao ho irery ihany,
miandry anao foana aho, tsy mananihiany.

Mpisento takariva - Janoary 2006
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/mpisento-takariva
Tononkalo ( 0)

Tsy misy tononkalo hita.

Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.086