Hampiditra sary Nampiditra : Ny Tiasolo
Daty : 21/08/2018 11:28
Nijery : 927
Tononkalo: 1 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Ny Tiasolo

Fiainana
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/ny-tiasolo
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany
Ny Tiasolo ( 21/08/2018 12:12)
Salama daholo tompoko. Angaha moa safidy sa sitra-po no mahatonga ny olona ho "TSY KITAY TSY VARY MAINA".
Ramatoa iray,no faly mankahala
Miteny ny olon-tiako,ka manozongozona
Hoe toy ny olona adala
Toy ny olona voahozona.
Kamboty moa ny tena
Ka tsy mahamenatra azy
Ny miezaka hampihena
Ny fitiavanay mivady
Fa na 'zany na tsy 'zany
Dia mahery ny fitiavako
Ka ny fiainako eto an-tany
Tsy hianteherako amin'ny havako.
Fa hoentiko ny saiko
Hisedrako ny onjam-piainana
Ireo hava-nantenaiko
Tsy mba azoko hitarainana
Satria voafaritro ny toetrany
Fantatro ny fiainany
Lazainy ts'hisy fetrany
Ny "kitay sy vary mainany"
Fa hanana ny ampy
Hanana ny mety
Ka ho mandra-maty
Hikoràna sy hifety.
Dia mihevitra ny tenany
Fa tsy ho tadidy izany lasana
Manantena ireo harenany
Hilanja azy ho any am-pasana.
Ka manao tsinotsinona
Izany havan'ory
Kanefa tsy hampaninona
Na handratra fo akory...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136