Hampiditra sary
Nampiditra :
Beloa
Daty : 19/03/2011 08:08
Nijery : 882
Tononkalo: 0 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo Daty : 19/03/2011 08:08
Nijery : 882
Tononkalo: 0 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Paylal
Mpanoratra tanora vao misondrotra!
Rohy:
https://vetso.serasera.org/mpanoratra/paylal
Tononkalo ( 0)
Tsy misy tononkalo hita.
Antsantononkalo
Mbola tsisy niantsa
Hevitra farany
Beloa
(
20/03/2011 15:17)
Tsy dia be teny ilay ampela
Nanaiky anefa…
Toa madio saina tia mandefitra
Ka nampiandrasoko elaela
Vao nijokoko tao an’efitra.
Nesoriny ary ity ivelany
Nihafiany ny hatsiaka mampangovitra,
Mba hampideràny ireto selany
Kanto tsy mba tahaka ny hoditro.
Nony injay…
Ka babo izany,
Babo sahady aho raha vao niditra
Fa lanilany
Ilay filàn-dratsiko efa am-bivitra
Ny “aoka ihany!”
Sao ho tereny ka ho difotra
An’anatiny any
Hampangatsiahin’ny hafanany
Ho kely rivotra.
Nihidihidy ilay fo jambako
Tsy nanam-po…
Ho langoiny dia ho resiny…
Hakany fafiny tsy banga
Hitako amin’ny fomba fihetsiny.
Nanaiky mora koa fa janga
Satria paika efa nimatesana
Raha miahotra aho valesiny,
Fa ny sainy dia efa mamba.
Ka indrisy…
Zao hihambahamba
Anefa sarotra ny mihemotra
Ny arangaranga
Mamatotra ahy an’eritreritra
Satria vao samba
Sambasambain’ny anaty efitra
Ny anaty lamba
Hampanginin’ny kotabany
Ho very hevitra.
Nanaiky anefa…
Toa madio saina tia mandefitra
Ka nampiandrasoko elaela
Vao nijokoko tao an’efitra.
Nesoriny ary ity ivelany
Nihafiany ny hatsiaka mampangovitra,
Mba hampideràny ireto selany
Kanto tsy mba tahaka ny hoditro.
Nony injay…
Ka babo izany,
Babo sahady aho raha vao niditra
Fa lanilany
Ilay filàn-dratsiko efa am-bivitra
Ny “aoka ihany!”
Sao ho tereny ka ho difotra
An’anatiny any
Hampangatsiahin’ny hafanany
Ho kely rivotra.
Nihidihidy ilay fo jambako
Tsy nanam-po…
Ho langoiny dia ho resiny…
Hakany fafiny tsy banga
Hitako amin’ny fomba fihetsiny.
Nanaiky mora koa fa janga
Satria paika efa nimatesana
Raha miahotra aho valesiny,
Fa ny sainy dia efa mamba.
Ka indrisy…
Zao hihambahamba
Anefa sarotra ny mihemotra
Ny arangaranga
Mamatotra ahy an’eritreritra
Satria vao samba
Sambasambain’ny anaty efitra
Ny anaty lamba
Hampanginin’ny kotabany
Ho very hevitra.
