Hevitra momba an'i Pissoa

Hiverina amin'i Pissoa
Malalason ( 06/12/2007 11:50)
Na dia tsy nambarany eto aza ny momba azy dia azo lazaina fa tsara ny sangan'asany mirary soa
pissoa ( 11/12/2007 19:40)
Mankasitraka Malalason !

Ny blaogin'i Pissoa milaza zavatra betsaka mikasika azy : http://pissoa.blaogy.com

Mirary soa.
pato ( 11/04/2008 06:57)
ie izaho koa dia manohina an'izay hevitra izay mpikambana ato aho, mpanoratra ato koa sady mankafy mamaky tononkalon'ny ankizy namana mpanoratra fa ny anao tena maro nambabo ny foko
pissoa ( 12/04/2008 20:42)
Misaotra mitsidika sy mankasitraka Pato a.

Mirary soa indrindra.

Pissoa
winner ( 24/06/2009 17:02)
Ny sanganasan'i Pissoa dia anisan'ireo manana ny mampiavaka azy, tsy mety lany tsiro, tsy mety lany hevitra, ary tsapako fa lalina dia lalina ny aingam-panahiny eo am-panoratana. Manana loko hafa isaky ny mivoaka ka mahaliana hatrany.
Raha milaza izy fa mbola tsy azo sokajiana ho mpanoratra dia hoy aho hoe: fanetrentena angamba fa ny mpamaky sy mpankafy dia mahita avy hatrany fa efa ao anatiny izy, ny hoe lohalaharana angamba no mampisalasala hoe voalohany sa faharoa!
pissoa ( 07/07/2009 06:32)
Mankasitraka winner :)

Dia mirary soa hatrany e !
benasy ( 07/07/2009 09:45)
Izaho aza tena mmporisika anao hanohy hatrany fa tsinjoko ao amin'ny vetsonao ilay fandresen'ny soratra. Mahereza pissoa a ! dia mitso-drano koa e !
pissoa ( 18/07/2009 07:33)
Misaotra indrindra Benasy a.

:)
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123