Hampiditra sary Nampiditra : DODOFA
Daty : 24/01/2005 11:43
Nijery : 597
Tononkalo: 0 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Rasoarimanahirana Clarisse

ETO AMPIANDRASANA ANAO!
Hiezaka aho hangina
Ampiandrasana anao sombiniaiko
Na misy fijaliana
toneko 'zany saiko

Ranomaso milatsaka
Tsy hikoriana amin'ny tavako
Ao am-poko no hifatratra
Ao izy no ho tanako

Saromako tsiky
Alahelo mandevo
Fahoriana mikiky
Tsy hampifendrofendro

Hiezaka aho hangina
Na ho mafy aza
Ilay faniriana
Hitoeran-jaza

24/01/05
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/rasoarimanahirana-clarisse
Tononkalo ( 0)

Tsy misy tononkalo hita.

Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122