Hampiditra sary Nampiditra : sanga
Daty : 09/05/2007 21:03
Nijery : 1453
Tononkalo: 1 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

sanga

MBA TAZANO

Mba tazano e! Mba tazano
Aza avela hikoriana toa rano
Izahay vahoaka aty ambany
Fa mosarena sy tomany

Ny anareo ao ambony ao
Efa milamina izay natao
Ny ambanilanitra koa omeo anjara
Fa toa ratsy karakara

Tadidio fa Nosy iray Gasikara
Tsy tianay ho voazarazara
Ho antsika ny vita soa sy ny tsara
Mba tsy ho tsarain'ny tantara

Zo sy saranga itoviana
Ao koa ny firaisan-kina
Koa mba tazano mba tazano
F'aza avela hikoriana toa rano.

Sanga. 9/05/2007.
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/sanga
Tononkalo ( 1)
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132