Hevitra momba an'i Vouromanga

Hiverina amin'i Vouromanga
VOUROMANGA ( 13/03/2021 07:37)
MPIVAROTRA FANAHY
Mpitondra ianao, mpitarika anaty orinasa,
Midoka tena fatratra f'ianao no tena izy
Tombotsoa ho anao ny arerahan’ny hafa
Anao ny fanapahana dia ny fanahy no amidy ?
Dia gaga izaho mpihaino ny torinteninao
ry mpiantsoantso fatratra ny fitsarana farany
manatona afobe ny fombanao fanao,
loza mitatao ny fiantsonao ny anarany.
Ny tandrokao maranitra hasehonao sahady
Hanotoana anay izay tsy andraikitrao akory
Aza atao ankolaka re ny filànao ady !
Fa ataovy ho re-bahoaka toin’ianao mitory.
Izahay no eto anoloana! izay no tadidio
miaritra sy miafy ny daka tsy hita maso
ny rambonao manakatra aorianay io :
tsy ho ela intsony dia ho vidinao lafo.
Anananao ny vola, irehanao ny trano ;
Lazainao azo tamin’ny fanompoana ireny.
dia omenao tsiny ny mpiasa izay mimamo
nefa noho ny anjarany izay nangalanao kely!
Dia izany ve no masina natao mba ho mpananatra e !
manararaotra foana ireo tsy manana safidy;
Izaho aloha tsy isany f'efa ela no nahafantatra
f'ianao devoly velona na koa ilay MPANDIMBY.
Ka asakasakao f'ianao izao no mpandidy,
Ianao izao no mpibaiko ry MPITORY TENA sahy;
ihany koa mbola ianao no hisotro ny magidy,
sy hitelin'afo am-pivarotana fanahy!
NY AROKO
04 09 20, Alakamisy -Ambohidratrimo
VOUROMANGA ( 13/03/2021 07:45)
grr
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117