You are here: home > Vetso

Zazavao

           RAOZY MAINTY

Nitolofika nianjera tao an-jaridaina
Natory tsy nifoha, tsy afa-mitaraina
Ilay raozy iray izay endriky ny tanĂ na
Izay nambabo ny fo, nanala ny adintsaina

Nosemban-drahona ilay androko mazava
Tohina ny fo, tsy nahateny ny vava
Fa ilay fitokiana no lasa ka tsy tanty
Ka niova ny loko, ho lasa raozy mainty

Matroka ny andro, misaona ny tontolo
Lasa ilay mpananatra, lasa ilay mpanoro
Fa manantena hatrany fa mbola hiaona isika
Ka samy ho tongasoa any am-paradisa

Ho tsarovanay hatrany ireo anatrao
Ireo kapoka sy bedy, anay zanakao
Hizotra am-pahendrena, hamelomaso hatrany
Ny anaranao raha mbola eto an-tany

Misaotra ny Ray aho nanomezany anao
Ho mpananatra anay, ho mpitantana ihany koa
Ka hiezaka ny hampitony ny alahelo ato anaty
Ka mba hiova loko ilay raozy mainty

Zazavao (12.06.2020)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Nampiditra : zorandrianarijaona
Daty : 18/06/2020
Mpamangy : 419
Mankafy : 0
Ankafizo