Toy ny Afo novonoina - aina
Azo vakiana?
Maninona ianao Ratovolahy
No mitsikitsiky ahy toy izao?
ny oroko maratra ve sa
Ny tarehako marary no tazanao?
Maro izany eso, latsa, natorakao ahy
"Tsy mendrika ho anao aho" ho ianao ka sahy
Teny mandratra fo, no nolazainao ahy
Teny mahamay, manadoro ny fanahy
Ny fitiavana hono tsy vitan'ny fanahy irery
Fa ilaina ko ny fahantsaram-bika sy tarehy
Izany no mba lesona azoko taminao
Olombelona iany anie aho, ka aza mba ato toy izao
Indrisy teny malemy, fihetsika mahate ho tia
No omenao, anireny vehivavy sasany ireny
Ny foko anefa jamba mitempo ho anao
Toy ny afo niredareda ka novonoinao
Mombamomba
Mpanoratra : aina
Nampiditra : aina0000Daty : 11/02/2010
Mpamangy : 1538
Mankafy : 1