iny hatsarany iny! - ainga fitia
Azo vakiana?
iny hatsarany iny
tsy ho azonao fihinina
fa fotsiny banjinina
an'eritreritrao mangina,
mantsy izy sendra nandalo,
mpivahiny fotsiny ihany
ka raha iny no hampikalo
toa rediredy ihany izany...
ka aza iniana hatokana ho azy
ny fitiavanao rehetra,
fa ndrao mantsy ho lasa sazy
anatinao tsy hanam_petra!
dia manokana minitra farany
hisentoanao ho azy iny,
ary hadinoy toy ny anarany
iny hatsarany!
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : ainga fitia
Nampiditra : miangaly3Daty : 10/08/2018
Mpamangy : 879
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
miandry anao!hetahetan'ny fo!
tsy mety ho fay!