Avelanao izy (Alahelon'ny Fanahy)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avelanao izy...-avelanao izy
-aza fehezina intsony
-hafao mba tsy ho kivy
-vahao ny fatotrin'ny fony
-aza gejainao 'zato fiainany
-tapaho ny tadim-pitarainany
-halalaho ny ambom-pony
-fa aza terenao akory
-fa manomboka eto androany
-dia hitony ireo tomany
-fa hivaha ireo fangejana
-sy ireo tady nigadrana...
Cedric tolojanahary
--------
Rohy:
Sokajy :
gadra afaka
Mpakafy:
cedrictolojanahary04
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Alahelon'ny FanahyNampiditra : cedrictolojanahary04
Daty : 31/05/2019 16:04