Vavaka (All (Alina))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zanahary o! Mifona aho tamin'ny hadalĂ na vitako
Efa nandrara Ianao fa ninie nikipy aho tam'ditrako
Ny didy sy ny anatrao anefa efa voaraiko
Fa niezaka nandĂ  tsy nahalala koa ny saiko
Manaiky zah fa diso ka mangata-pamelana
Mba raiso 'ty ondry efa nania hiverina ao ambala
Matoky zah Ray o! Fa ho raisinao 'zay miezaka
Satria tsy tonga hiantso ny marina Ianao fa ny mpanota mba hibebaka
Misaotra Anao aho tsy nanary ahy tam'sarotra
Fa raha toa ka lavo. Aiza moa aho no hisarangotra?
Manaiky zah fa resy ka ny Anaranao no antsoiko
Satria raha olombelona, mety tsy hamela ny hadisoako
Mino aho fa be fitia Ianao ka tsy hamela ahy anaty lavaka
Ka omeo ny fanahy masina hitondra ahy hivavaka
Amen!
By
#Alina
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1143 1
Mpakafy: All (Alina)
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 07/06/2018 14:11)
izaho tsy hoe zah, ninia fa tsy hoe ninie
manaiky aho fa tsy hoe manaiky zah, mahatohy aho fa tsy hoe matoky zah
tamin'ny sarotra fa tsy hoe tam'sarotra
All (Alina) ( 07/06/2018 15:19)
Mankasitraka raims a!
raims randriamalala ( 07/06/2018 16:47)
tandremo hatrany ny tsipelina namana a!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : All (Alina)
Nampiditra : All (Alina)
Daty : 07/06/2018 10:33
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135