Ampoka (AMPOKA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa nataoko tamin'ny heriko rehetra
Izay mety aminao tsy nasiako fetra
Fa nokatsahiko sady ho katsahiko hatrany
Ny hampiroborobo ilay fitia tsy ho lany

Efa natolotro ho anao avokoa
Izazy rehetra fantatro fa mahasoa
Hampanalaviriko anao ny indrisy
Eny fa na dia hamoronako ny tsy misy

Tsy sitrako ny ahatonga ano ho ,ory
Ka matetika aho no miasa tsy matory
Mieritreritra foana ny tokony hatao
Hitondrana aina sy fitia ho anao

Ianao mantsy no antom-pivelomana
Ka zakaiko izay ho karazan'olana
Tsy asiako sento tsy asiako tomany
Fa arahako tsikitsiky hatrany

Aoka anefa ianao tsy hisendoatra
Raha indraindray aho tsy afa-manoatra
Mampalahelo sy mampanaintaina ny foko
Ny mahita anao sendra mitoloko

Hiezaka aho hanao izay azoko atao
Raha toa aho ka mbola mety aminao
ka mitalaho aho manao azafady
Aza vahana re ilay tady

Ny andro manorana mantsy mbola hisava
ny haizina mandalo ,mbola hazava
Aoka ary isika samy hanantena
ka ny ampitso hamiratra no jerena

Efa nataoko izany sady hataoko hatrany
raha tsy hoe ny aiko angaha no ho lany
Ka minoa ahy ianao rahavako
Fa ho anao irery ny fitiavako

Amen!
--------
Rohy:
353 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMPOKA
Nampiditra : hery
Daty : 12/07/2022 21:01
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152