Hatrany matokia (Ando Harinjaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatrany aho mbola tia
Matoa tsy sahy nandao
Hatrany aho mbola babo
Matoa tsy sahy nanary
Sy nampirafy anao
Koa hatrany matokia
Ary aza saropiaro
Nefa hatrany koa fantaro
Fa ny elanelan-tany
Misy eo amintsika
Misy te hanararaotra
Andrombahana ny foko
Efa tsara kolokolo
Sy voakarakaranao.
Ary hatrany mahareta
Fa ny fiainana katsahiko
Iriako ho ahy sy ho anao
Mbola lavitra andehanana
Sy maro fahavalo.
Nefa hatrany mahandrasa
Hatrany matokia
Fa hatrany ianao no tiako
Hatrany ianao no mamiko
Hatrany ianao no laniko
Hatrany ianao no andrianiko
Hiara-dalana amiko!

ANDO-Harinjaka
--------
Rohy:
548 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ando Harinjaka
Nampiditra : hery
Daty : 11/11/2019 08:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107