'Lay fitiavako anao (Andrianiaina RJ TSIRY)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha fitiavana no lazaina
Ary koa ho tantaraina
Aminao ry sombiniaina

Dia tsarovy lalandava
Ny alahelonao hisava
Ary ianao ho mirantava

Satria fitiavan'olon-drery
Ka tsy mamela anao irery
Fa miaraka tsy very

Zovy no tsy mahalala
Fa na bodo na adala
Na Ikoto na Ikala

Raha vao mandre ny anarany
Sy maheno ny tantarany
Dia tonga eny ambaravarany

Be ireo tsy voatanisa
Ka aoka ianao hamisavisa
Ireo hafa sy ny sisa

Ka izao no farateniko
Lazaiko anao fa tsy hafeniko
Raha hipetraka ny peniko

N'aiza n'aiza misy anao
Tadidio izao teny izao
'Lay fitiavako ho anao
--------
Rohy:
1477 0
Hevitra mandeha
Niriantsonoely ( 05/04/2018 11:30)
Misaotra anareo mpankafy rehetra e.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andrianiaina RJ TSIRY
Nampiditra : Niriantsonoely
Daty : 05/04/2018 11:25
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092