atolotro ho an'i Lys (ANDRY AROLOVA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
samy tsara na ny raozy, na ny benja vao mamelana
samy manitra ny fofony rehefa tsofin-drivotra mihelana
fa ny kanto avoakanao no nanintona ny maso
nosakanako malaky, niangaviako hoe: andraso

fotsy sy matsorak'endrika, voninkazo kely niavaka
nosokajiako h' vatosoa dia halaiko mba ho ravaka
olombelona mitafy ny hatsaran'ny voaary
tondratondrahiko tsy ho maina, tsabotsaboiko tsy harary

homeko Lisy ianao ry LYS, lay antsasan'ny fanahy
ho meva foana ny endrikao fa Zanahary no mitahy
sambasambatr'aho fa ampiotazanao fitia foana
la la li, la la, la la, mandrapaha-tapitry ny taona...
--------
Rohy:
834 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRY AROLOVA
Nampiditra : andry arolova
Daty : 31/01/2015 08:59
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093