Hevitra momba ny NANKAIZA HONO NY OLON-TETY

Hiverina amin'ny NANKAIZA HONO NY OLON-TETY
raims randriamalala ( 10/08/2022 08:05)
NY AKANY!

fa mba nankaiza ny olon-tety
no rindrina sisa tinazana
ny vovonana indreo mikodia
ny efitra toa ngazangazana

ny rindrina no sisa mijoro
fandrotsarana no haingo tanàna
ireo tafo nianjera nikoro
toa nilaozan'ireo tsy tamàna

dia lasa aiza ny olona teto
no avana sisa mitsangana?
akany toa mpamelon-tsento
sa ny havana kosa no lasana?

diapen'i Raims RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
Tanjmbato 06-11-2019, 20:50
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:22)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114