FITIA MIFAMALY (Andz f'Iha Razaf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nisy nana-po
Hoe isika iara-droa
Maso iray sendra nitopy
No nahatonga ahy hanonofy

Nolazainao 'lay fitia
Naborakao satria
Nahababo anao ny fijeriko
Eny,hatramin'ny fihetsiko

'Zaho koa tsy nisalasala
Fa avy dia nanambara
F'izaho koa efa tia
Ka vonona ny hiara-dia
'
Lay fitia tao anaty
No nandoro ka tsy tanty
Hokoloina mba haharitra
Ho tena mahafinaritra

Tiako ianao sady tsy foiko
Mamiko satria malalako
Ny fontsika ho iray
Iriko izany ho mandrakizay..
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1558 0
Hevitra mandeha
Rakotojean ( 10/10/2014 16:24)
Tsara be kosa a!Zay tia adala amin'ity fiainana ity e!
Rakotojean ( 10/10/2014 16:24)
Tsara be kosa a!Zay tia adala amin'ity fiainana ity e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andz f'Iha Razaf
Nampiditra : andzfy
Daty : 10/10/2014 06:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133