Hasambarana fitia (Angatra7)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mba nahafantara na niaina kely akory,
Izany hasambarana fitia tena izy,
Ny foko,
Fa ny vatako mazàna tsy mahita tory,
Mijaly ve ? sa tsy aiko,
Izany no toloko

Mety tsy mba nihezaka naneho ny tena marina,
Sa misy ny kilema maro mpankahala?
Ny toetra ?
Kanefa efa nanao izay mba tratry ny aina
Tsy hanafinafina mba tsy hisy mpahalala,
Ny momba ahy rehetra.

Efa maro koa ny teny, siosion-dresaka,
Manamafy sa maneso ny fiainako hatrizay,
Fitiavana ?
Tsy azo hialàna izany, hoy ny hafa,
Ary mety koa handratra, hamparary,
Ao anaty ao.

Rehefa te hitroatra, te handresy fijaliana,
Mijerijery, mampitaha, ireo efa tia sy tiana,
Fanantenana ?
Tsy dia misy handrandraina,
Dia lasalasa eo ny saina.

06/11/2012
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1035 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Angatra7
Nampiditra : Angatra7
Daty : 06/11/2012 13:20
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123