Ho anao! - Ange Raberson
Indrisy mantsy fa lò ilay fitia
Izay nokasaina fa ho mandrakizay doria
Noravaina fa hoe tsy mety intsony
Ilay fitiavana namoa toa nitony
Noravaina fa hoe tsy tsara
Ilay fitia voazara
Aleo faranana hoy ianao
Ka inona moa ny azoko atao
Mahatsiaro ny lasa aho indraindray
Ny lasa vitantsika hatrizay
Izay irinao ho very
Nefa toa mbola voatahiry tahaka ny volamena
Raha ariana toa mampivadika menamena
Tsy mampatory amin'ny alina
Fa toa vao mainka mitombo andro aman' alina
Ilay fitiavako anao, nolazaiko
Ho mandrakizay ary mandrapahatapitrin'ny aiko
Mombamomba
Mpanoratra : Ange Raberson
Nampiditra : AngeDaty : 14/04/2004
Mpamangy : 5205
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Missing you!Missing you