NY AMIKO...NY ZANAKO ( Album Aina Nafindra ) (ANJARA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY AMIKO...NY ZANAKO

Tonga tsy niriana
Sady nahabe fifaliana .
Saingy ny zanako...,
Zanako tsy azoko ariana ;
Na dia hitondrako fahoriana .

Ny zanako...,
Izy no voalohan-karenako
Ny zanako...;
Izy no fialam-boliko ,
Hitoeran'ny fitiavako .

Satria...
Sombiniako , mamy sy teliko
Tsy foiko fa ahy
Ny Zanako...Ny amiko .

Ambatomaro / Mangarivotra
27.07.2001 ANJARA
--------
Rohy:
36 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANJARA
Nampiditra : SANAKERIB
Daty : 17/10/2024 08:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1428