hafa mintsy (anjf)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFA MINTSY
Hafa mintsy rehefa eo ianao
Toa mety izany izay rehetra atao
Ny saiko sy ny foko variana any aminao
Ka toa zary faona teo izao tontolo izao
Mamy ery ny orokao toa tantely
Sy ilay angolanao hafa kely
Hafa mintsy ianao rahavako
Ny anaranao tsy mety afaka ambavako
Satriko ho eo faona ianao
Anilako mandrakariva fa tsy handao
Raha anonofy aho tiako raha ianao no antony izany
Fa ianao ilay tokako omaly , anio, ary hatrany andanitra any
Sarotra amiko ny anome toky ny hoe mandrakizay
Fa isika manko natao ho alahatry ny RAY
--------
Rohy:
164 0
Hevitra mandeha
anjf ( 25/03/2024 06:52)
misaotra an mpiventso
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : anjf
Nampiditra : anjf
Daty : 10/11/2023 12:09
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141