You are here: home > Vetso

Fony ianao tsy mbola hita - ANONYME

Azo vakiana?

Fony ianao tsy mbola hitako
na somary nanjavozavo
dia nisy drafira efa vitako
mba niriko hisandratra avo.

Tonga ianao hoe hiara-hanangana
fa ho atao lapa iombonatsika.
Ny birikiko lany tarangana
ny anao kay zara fa nipika.

Eny, tsy mbola  nonenana
dia narodanao tsy hisy hijoro.
Ianao raha teo tsara fiafenana
f'izaho no tototra sy toro.

Ny ahy izy rehetra simba tao,
na trano bongo aza, tsy ahavita.
Tsy mba nitahiry toa anao,
Misy anangana ery ampita.

Izay tsy tapaka mba sisa,
mbola nangalanao teo.
Tsy ahavita inona,tsy ampy isa
fa hitorahako anareo.

Raha mbola tsapako aho hoe resy,
na mbola ho am-polo taona,
dia mbola hisy toraka hisesisesy
hitatao anao eny foana.

Na iza hanakana sy hiteny,
na hivarotako fanahy,
ho valiko avo folo heny
izay nampisedrainao ahy.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ANONYME

Nampiditra : poeteX
Daty : 14/09/2019
Mpamangy : 111
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Tamin'izay
Le Don de mon cœur,
Mon amant virtuel
POUR TOI MON AMOUR
Si tu voulais qu'on s'aime...