Karakarao sy ampahalalao (Antso H.)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Karakarao sy Ampahalalao

?Ny mibedy sy mandatsa angamba efa fanao
Ny mangina tsy miteny na ny manao be lazao
Ny tsy miraharaha ary koa ny tsy mivaky loha
Efa lasa fomba ireo, kanefa samy tsy mahasoa!

? Satria...

? Ny mampahery sy manohana re no mba tena ilaina
Ny mifanampy, miara-miatrika. Izay no mampiray aina...
Ny mihaino, manontany, ary koa mifampiresaka
Ireo no tsara sy mahomby, ka tokony atao betsaka.

?Raha sendra tsy fitandremana sy tsy nety natao...
Na tonga ny aretina, sy tranga tsy nampoizinao
Ny mety indrindra re sy ny tokony atao:
Ampaherezo izy, tohano, tsaboy, karakarao.

"Mahereza re, fiainana izany, tsy manahy
Eto foana izahay mbola vonona hiahy
Ataontsika avokoa izay tokony atao
Fa ny hany tanjontsika dia ny fahasalamanao..."

Ny mety indrindra re sy ny tokony atao:
Ampaherezo izy, tohano, tsaboy, karakarao.

?Ary raha toa ka misy mampatahotra na mampiahiahy anao...
Ny fihetsiny, ny fombany, ny fitondran-tenany hatrizao
Ny mety indrindra re sy ny tokony atao :
Atoroy izy, hazavao, ampahafantaro, ampahalalao.

Mitsaboa re rehefa torovana
Hajao re ny fahadiovana...
Ampiasao re ny fiarovana...
Ialao re ny fahalovana...

Atoroy izy, hazavao, ampahafantaro, ampahalalao
Izay no mety indrindra, sy ny tokony atao.

Misaotra indrindra anao.

Antso H.
--------
Rohy:
257 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Antso H.
Nampiditra : AntsoH
Daty : 03/08/2023 17:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1581