VAVAKA HO AN'OLOTIANA (Ari Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1)Andriamanitra o!
iny olontiako iny mafy ny ady atrehany
Betsaka ihany koa raha ny zavatra erehany
Ka ampio izy Ray,tohano ny herinao
F'aza avela ho irery amin'izao fiainana izao

2)Ny angatahako ry Ray dia tantanonao ny tanany
Arovy re ry Tompo fa sarotra ny lalany
Ny masony habanjino ny tanjona kinendriny
Ka ny zoto tsy mba laina no hasorito eny amin'ny endriny


3)...Ekeko Tompo tia fa nofo ihany Izy iny
Ka manampahalemena ary mety manantsiny
Saingy aza ataonao sakan'ny lalam-pandrosoany
Izay mety ho vinan-tsainy sy ny hetahetam-pony.

4)Eto koa aho Ray dia miangavy mitalaho
'Zay rehetra fahadisoany teo anatrehanao
Koseho sy fafao ary hongoty hatrany ampotony
Mba tsy hipentipentina amin'izato akanjo fotsiny.

5)Kanefa Raiko tia,ianao efa nanoritra ny lalana hombany
Ny akamantatry ny ampitsony s'izay vitany androany
Ireo sedra mahamay sy ny tsikin'ny tomany
Nampisianao izany mba hijoroany hatrany hatrany!

ka misaotra Ray o!AMEN!!
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - Vavaka - Fitiavana
1571 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ari Anjara
Nampiditra : Ari_Anjara2
Daty : 08/05/2020 14:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0245