You are here: home > Vetso

soritra - ARIKAOMISA RANDRIA

Azo vakiana?

Ny lalam-boasoritry ny hery tsy hita:
tsy azo ialana na hoe hodinganina
ny iry, ny nofy, ny kasa no vita
f'izay voalahatra: sangodimpanina

Ekena f'ilaina ny vina sy tanjona,
tsy miaina ny saina raha tsy misy ireo
kanefa ny ampitso dia mety hihanjona
ireo eritreritra nisy anikeheo

Ny ambadika bonga dia saro-pantarina
fa mizotra...mizotra...miezaka ihany
mba hampanjary ho tena marina
ireo volan'ny saina tanaty vinany

Tsy atao mahakivy ny fihodin-tantara
fa fombam-piainan'ny velona izany
misy ny tendry, misy ny anjara;
ny soritra mantsy dia tsy azo vinany!

23.06.91

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ARIKAOMISA RANDRIA

Nampiditra : zokinantitra
Daty : 22/04/2018
Mpamangy : 282
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Raha olona iray...