Valiha mitady kopaka (Arison Jaha)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Variana erý ianao nitendry ny valiha tanaty sasakalina.
Nanandratra haravoana, nandraraka eritreritra,
Nivetsovetso lalina.
Maminao ny hira, ny hiran'ny valiha, izay hira tsara rindra
hitondra ho anao
nofy iray malia : ny aloky ny embona, sary tsara indrindra...

Dia hoy ny teninao lasa tsy tsaroana :
"Angamba nanao ahoana ny taratry ny fiainako
raha tsisy ny valiha azoko ikaloana
ny hirahiram-poko, ny hiran'ny fisainako ?"
- Mangina ka mangina, hoy aho nibitsibitsika
namaly tsy tsaroana.

Variana erý ny tenako nihaino feom-baliha
naloaky ny hiranao.
Ny masonao mikimpy, ny tànanao mitendry ny hiram'ny fitia
tsaroako mihavao
mamatotra ny tenako hambomba ny tsiaro
hiombona aminao anivon-diavolana.
Ny vetsonao sy ny ahy dia efa nifangaro
niverina niolana.

Dia lasa koa ny saiko nandre anao niteny tanatin' ny mangina.
Nanandrana nanavaka ny sarin'alahelo sy ny fifaliana.
Inona ary moa no atao hoe hasambarana ? Izao ianantsika izao ?
Tsy fantatro, tsy fantatro fa tsy haiko homena anarana
ny amin'ny fihetseham-po ao anatiko ao
mandre ny hirahira natobakao hameno ny tara-pahanginana...

Kanefa dia izao no tsapako irery tanatin'ny hiranao,
angamba hirantsika.
Mandrotsirotsy fery, efa an-taona maro nokoboninao
tanaty lohataona hanolatra hatsiaka.
Nandramanao terena hamongatra ny lalina
hivetsovetso moana ny feon'ny valiha.
Nandramanao terena anaty sasak'alina
hahatsiaro ilay fitia.
Dia ny fitiavantsika rendrika sahady
tanaty fahazarana.
Nefa ankehitriny lanaky ny ady
mitady fitsaharana.
Ny feon'ny valiha no tonga mba hamerina
hitondra filaminana.
Fa samy mbola tia ka indro mitamberina :
izay ny fahamarinana.

Arison Jaha
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1681 3
Hevitra mandeha
kally ( 04/03/2005 20:18)
Mandrotsirotsy,maharenodrenoky ny tory,malefadefaka,izay ve?
Tiako
kiriah ( 26/09/2012 13:00)
Nandramako vakiana mafy sady mihaino feonkira ity ventso ity fa saika latsaka ny ranomasoko , mba marina mafy fa andramo anie e!( tsy nanana feom-baliha aho fa gadon-kira tsotra fotsiny mitovy2 no nihainoako azy) , hahaha ! , tsara ka !!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arison Jaha
Nampiditra : alz
Daty : 21/11/2003 09:59
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114