You are here: home > Vetso

SOSON-TEBOKA TELO... - Arivelo Naivo

SOSON-TEBOKA TELO...

Mizotra mankaiza ity làla-diaviko
toerana aiza no mba hiafarany?
Ho soa sa ho ratsy izany hoaviko
ho lokoin'ny tsiky sa hampitomany?

Baraingo iray na teboka telo
no azoko asetry ny fanontaniana
Tsy ahy ny ampitso mamelovelo
ka hoe hofenoiko famalifaliana

Ny hany mba tena azoko atao:
mivavaka mafy sy amim-pinoana
horavaham-pitia ny làlako izao
ho jiro mitaratra eo anoloana

Arivelo Naivo - 09/11/2016

Sokajy : fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : Arivelo Naivo

Nampiditra : arofanina
Daty : 09/11/2016
Mpamangy : 725
Mankafy : 0