Namana (Ashmia )

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy,ilay noheverinao
Fa tena namana
Nefa namitaka anao
Teo amin'ny fiainana.

Izy,ilay noheverina
Fa tsy ahavita hamitaka
Kanefa namadika
Tamin'ny andro tsy nampoizina.

Lazainy fa namany
Eo anatrehanao
Fa kosa fahavalony
Rehefa tsy eo ianao.

Namany hono aho kanefa fosainy
Namany hono aho nefa tsy rarahina
Izay mba nolazaiko taminy
Tamin'ny andro fahoriana.
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
465 1
Mpakafy: LIAHANDRIAH
Hevitra mandeha
LIAHANDRIAH ( 26/10/2022 13:17)
Tsara e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ashmia
Nampiditra : Ashmia
Daty : 01/10/2022 15:30
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133