Harivan'Alahady (AssanRJ)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa toa olona nifankahalala ela tany aloha
Ny olona ary gaga raha naita atsika roa
Fa dia nifadray sahady tsy nisy fasalasalana
Tamin'ilay harivan'Alahady nilaozana hafanana
Ny erika nifafy toa tsy tsapatsika akory
Fa nifaly sy niravo lavitry ny sorisory
Dia samy nanadino izay nisy teo aloha
Fa ny hamonjy ny fodina izay nibahana ny loha
Dia ianao nilaza fa mbola lavitra fodiana
Ny andro nefa nangatsika sady ny lalana nangina
Ka tsy niafahafa aho nanaiky ho namanao
Nanomboka teo niarahana avokoa izay rehetra natao
Ilay endrikao kanto nosaroman'ireo volo
Ny fiteninao milanto nahatonga ahy hitsangambolo
Dia nanosika avy hatrany hanambary sy hanontany
Hoe:>
Taitra ianao namaly sady vahotra ny lela
Tsika koa moa nangatsika satria avy ny orana ka lena
Dia iny ianao niankanakana no sady nanontany
Niantso mora ny anarako
Ka dia nifankatia izaho sy ianao nanomboka teo
Tambitamby teny mamy ilay fiarahana avy eo
Ka tsy nifankafohy na inona na inona natao
Dia nifanjoy fonafona mifankatia hatramizao!
--------
Rohy:
Sokajy : tantara
1162 0
Hevitra mandeha
AssanR ( 11/10/2014 15:23)
Tsy adino nahovina !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AssanRJ
Nampiditra : AssanR
Daty : 11/10/2014 15:22
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133