Radoka - Auguste Rajon
Niainga izany Radoka
Mba hiditra an-tranom-botika,
Nifoka, nigoka, niloka,
Tsy ela dia indro nihiaka !
Nivoaka dia iny nitraingy,
Nanao famindran'ny gatry,
Nirada fa olona gaigy,
Nivena, nidola tsy satry.
Ny lamba tsy zakany intsony,
Ny hetra nifafa ny tany ;
Ny vavany maimbo rongony,
Ny ompa manaraka ihany.
Ny akanjo miravaka loto,
Ny satroka menan'ny tany :
Kilasy ambanin'ny boto,
Kanefa mibohy aok'izany !
Fampitaha, 27 feb. 1958
Sokajy :
Ny toaka
Mombamomba
Mpanoratra : Auguste Rajon
Nampiditra : jantinaDaty : 09/08/2019
Mpamangy : 818
Mankafy : 3