Tononkiran'i Solomona (8:4) (Avelo Nidor)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza manamorona ny lanitra iny akoryFa raha taitra ange ny fo ka mora mitomany
Aza mbola fohazina ny nofy raha matory
Ny anjaranao tsy very fa mbola any ho any
Aza tia mamaky ny mason’olo adala
Aza tia mitsimpona ny tsiky raraka iny
Aza maika hiteny raha mbola tsy mahalala ilay ao anatinao
Misy Andriamanitra miteny
Aza manamorona ny lanitr’iny, ho’aho
Fa ny onja entin’iny miakatra sy midina
Ny sangisangin’iny manaitra ny fanahy
Ka hitondra anao lavitra, handeha hisidintsidina
Hampanonofy sary anao, ho raiketina ao am-po
Ary ny fitiavanao ho vaky ranon-doha
Ka hitady fahafahana amin’izao tontolo izao
Mba itiavanao ilay endrika ao anatinao
Tsy hanan-tsafidy ny fo amin’izay
Fa voaozona hitia foana mandrakizay
Izay rehetra henonao tamin’ilay tantaranay dia
Angano noforonin’olona mahay
Fa ny foko ? Dia notiavina foana, hatrany hatrany
Fa mbola tsy nitia toa izay nolazainy izany
Ary tsy voafonjan’iza n’iza na oviana
Fa ny foko dia tsy aiza fa ao anatiko ao
Izy ? Mahalala fa tiaviko mangina
Ary tsy nambarambarako amin’izao tontolo izao
Ka aza minomino ‘zay resak’olon-tsisy atao
Fa izany dia arira itadiavan-tombontsoa
Ny tiako ? Dia tsy iza fa efa fantatrao
Ary tsisy mahalala ankoatra antsika roa.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
Djess - ravelonarivomirado2001