Mitsikia? mitraka (Avotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mitsikia ry voninkazo, mitrakà fa aza malazo
aza milofika intsony fa ny rivotra efa tony
na tafiotra na avandra, dia izao no ataoko anao
meteza hibanjina hiandrandra, ilay masoandro vaovao

raha misy fo mijaly, ka mitady hamoifo
mitsangana, ndao hifaly, hiremby izay mba mahasoa
aza manaiky ny ho kivy, na hitomany lava
mbola ho mamy ny mangidy, ny alahelo mbola hisava

raha ny sotasotam-piainana, aza avelanao handresy
itsikio moramora, dia ho tafanikao ny fefy
ataovy mafy ny finoana, fa mbola ao ny anjaranao
ary aza mety ho baboina, ny Ray hamaha ny fatotrao
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
3669 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Avotra
Nampiditra : Sara
Daty : 02/03/2004 11:54
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099