fitia diso fiantefa (azenika)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy mba tsapanao mihitsy mantsy,
ilay fitiavako izay tena mafy orona
eny! Tsy mba tsapanao satria,
noheverinao ho vazifazy 'lay fitia
ka dia nosenao tsotrizao,
eny! Sahinao ny nandratra ity foko mahantra feno tomany,
fa dia nahoana re ry malala,
ianao anie ka tsy mana-tsahala,
raha ny ato am-poko no resahina,
eny! sahinao tokoa ny nandratra ity foko mahantra,
ny any mba navelanao dia sento sy tomany,
embona ny lasa izay tsy haiko hadinoina.
tena tianao aho nefa indrisy fa sahinao,
ny nisitaka sy niala nadositra ity foko,
eny novolenao fitia hafa tao am-ponao,
ka izao indray no miafy sy mijaly,
eny,mijaly aho satria,
tena fitia no nokasaiko avy aminao,
indrisy fahoriana no navalinao
eny, fahoriana izay faran'ny mangidy,
nefa, atao ahoana f'izay no sitrakao,
andefitra aho, andefitra ato anaty fitia izay tena mahery sy mampijaly.

HOAN'ILAY OLONA IZAY TSY MBA MAHATSAPA NY TENA HOE FITIAVANA;
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1992 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : azenika
Nampiditra : azenika
Daty : 12/01/2008 14:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013