HO AVY NY MARAINA (Bary Hkiel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ny fahoriana mahazo ahy
Sy ny ngidy laniko androany
No amelomako ahiahy
Ny @ny any aorinako any
Hoe: tsy hisy intsony ny hasambarako
Sy ny masoandro mba ho anjarako

Fa na marary aza ny foko
Noho ireo tsindry azo lena
S’ireo fandrika asoko
Amelezana ny tena
Dia tsy ho esoriko ao antsaina
Hoe: mbola ho avy ny maraina

Dia ny maraina andrasako
Ho fanafody ampitony
Sy hanonitra ireo lasako
Tsy hisy sompatra intsony
Maraina ho fanasitranana
Ho fifaliana sy fiadanana

Ka ity foko feno ratra
Sy ranomaso ankehitriny
Dia antenaiko fa hatratra
Ilay tanjona niriany
Ka ho finaritra sy hofaly
Hiaina lavitry ny jaly

Ka dia ho foana ny taraina
F’efa tonga ny maraina

--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
1481 1
Mpakafy: yhardina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bary Hkiel
Nampiditra : yhardina
Daty : 15/07/2013 12:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138