Farany aho hangina (Bobmcneal)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Irony lalantsika roa
nitosiana teo aloha
Afeniko aiza re ry tiana ?
Irony vetsovetso-po
namenoantsika fo
moa avelako hangina ?

Ireny teny maminao
rehefa nanafosafo ianao
moa avelako hatory ?
Mbola tsy haiko hatramin'izao
ny hanadino anao
ilay tsy hiverina intsony.

Sa... avelako ireo lasa
hofongorina tsy hamaka
ndrao hanimba ny hoavy ?
Nefa hanitatra ilay ratra
tao am-poko tsy nahazaka
ilay fitia zay namosavy.

Avelao ny lasantsika
aza avela hisy hipika
sao indray hampahory
Fa mirandrana amin'ny aiko
sy zioga mafy hoan'ny saiko
Na tsy ho fatiko tsy akory.
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1306 1
Mpakafy: herlal
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bobmcneal
Nampiditra : kotobob
Daty : 05/01/2007 09:59
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133