Alina fitia (Charles And de Stella )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangina aok’izany ny manodidina ahy,
Ny hany sisa hitako, ny volana eny ambony,
Mamerina tadidy, mamerina tsiahy,
Ny embona alahelo ao am-poko sy ao am-pony.

Ry alina ô! Alina fitia.

Mangina sady tony ‘ty alina mangina,
Ny andro diasan’alina dia misy ilay mazava
Tsy alina mba moana, tsy alina mba sina,
Fa alina fitia izay mifanatri- tava.

Ry alina ô! Alina fitia.

Mangina sady tony ‘ty alina mangina,
Ny andro diasan’alina dia misy ilay mazava
Tsy alina mba moana, tsy alina mba sina,
Fa dia alina fitia, hajaiko lalandava.


Parole: Charles And De Stella

Musique: Mitanjo Harii Andrianjafintrimo
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fitiavana
1414 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Charles And de Stella
Nampiditra : naivokarenjy
Daty : 29/10/2010 11:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135