HO ANAO (ciscah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vadinao aho androany sy mandrakizay
Tsy hiova aho amin`izay
Ny toeranao, ianao irery no sahaza azy
Aza manahy fa tsy hisy olon-kafa omeko azy.

Efa anao tanteraka
Ny amiko rehetra
Ny dina iriko ho tanteraka
Dia ny ho anao mandrakizay tsy hisy fetra.

Ny voady ho anao efa nomeko.
Efa anjarana koa ny foko.
Ny fitiavantsika tsy foiko,
Ny fiarahantsika koa koloiko.

Karakaraiko tsara
Fa efa anjara
Antenaiko tsy hisy fiafara
Ary ivavahako amin`Andriamanitra ny tsara.

Tiako ianao
Vonona aho ny hiafy miaraka aminao
Andresy ny sedram-piainana
Hiaradia aminao n`inon-kidona.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2154 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ciscah
Nampiditra : ciscah
Daty : 19/12/2006 14:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131