Raha te ho sambatra - Claude RANDRIANANTENAINA
Raha te hitady hasambarana
sy te hamboly fifaliana
Te hanala hasasarana,
sy te hanala fanaviana,
dia esory tao ny fo !
Raha te hitady fitoniana,
tsy te hahita fijaliana,
te handamina fisainana
tsy hiventy fitarainana,
fitiavana tsy atao an-doha !
Tsy te hahita fahoriana ?
foano koa ny faniriana.
Raha tsy te hivaky loha,
esory tao ny ati-doha !
dia matory tsy mifoha !
Raha te hiadam-poana,
ka tsy te hiahiahy,
te handroba fa tsy sahy,
te hatavy te hifahy,
dia esory ny fanahy !
Fa ho tretrika ianao ! ...
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Claude RANDRIANANTENAINA
Nampiditra : rfanjavDaty : 10/10/2003
Mpamangy : 2434
Mankafy : 1