ZON'OLOMBELONA (Déjà HJN)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry vahoaka ambany lanitra.Mifanararaotra antsokosoko !
Koa iza no haharitra,
an’izay atao mba hampandroso ?
Na inona na inona no asanao.
Izay mampidola anao lava izao !
Fa izao no aoka ho fantatrao !
Malagasy ihany izaho sy ianao.
Malagasy aho,
Malagasy ianao,
Malagasy ray sy reny.
Mbola malagasy ny fiteny.
Samy manana ZO isika.
Na eto ianao na any ampita.
Ary inty no iaraha-mahita.
Fa ilàm-panamboarana eto amintsika
Raha tiana handroso ny firenena !
Amboarina aloha ny toe-tsaina !
Koa aoka isika tsy hihenahena !
Fa hazoto tsy halaina.
Hifanampy isika.
Hifanome tanana.
F’efa iaraha-mahita.
Fa mihamaro ny sampanana.
ZON’OLOMBELONA no takiana.
Ny maha Malagasy no itambarana.
Fanovana no ikipiana.
Mba ho tsara fanoharana.
Aogositra 2018, HJN Déjà
--------
Lien:
Commentaires
Ilay FANAMBY
(
05/11/2025 11:09)
Makasitraka tamin'ny feo tompoko.
