Ampidiro aloha ny tenimiafina
Antsahanembona (Dafy Noely)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa fantatrao MalalaFa any Antsahanembona…
Ny lanitra diavina,
Ny tany lolohavina,
Ny vava no mandinika, ny saina no mivolana
Ny fahoriam-panahy no lasa vaha-olana?
Any Antsahanembona
Mifototra ny ora,
Isika hiha-tanora,
Ka ny tsiaro indray no mialoha lalana
Ny efa tsy azo atao no ahazoana alalana …
Any Antsahanembona
Tsy misy ny ahiana
Ny tia tsy maintsy ho tiana
Ny ho avy rehetra dia efa any aoriana
Ka ny zava-bita hiofo ho faniriana.
Any Antsahanembona
No entiko ianao hiala sorisory
Raha tsy mahita tory.
Tangosako ho anao eny an-tsisin-dalana,
Ny voninkazo rehetra maniry misivalana.
Raha iny ianao moa reraka, ho entiko hiala sasatra,
Amoron-drenirano, mikoriana miakatra.
Any Antsahanembona
Ny soratra manidina,
Ny teny no mitoetra.
Ny fiakarana dia midina amin’ny lalana rehetra
Ka ny mpandeha lanaka … no indro indray matanjaka.
Dia any Antsahanembona
Ny filan’ny nofy,
Dia tsy iriana intsony,
Fa sainina dia ary.
… Raha toa ianao ka leo
Ny vohitry ny nofy, tsy tena lavitra eo,
F’indray mahamasa-bary…
Dafy Noely 30/03/2014
https://www.facebook.com/tononkalomalagasynotsongaina/posts/1454472668122310
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
slambovelo - solofo20andrianarivelo
