Ity Taniko (David Mpikalo)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity Taniko
Ontsa ny foko, raha mahita ity Taniko
Anjakan'ny ratsy sy ny tsy fahamarinana
Mafy tena mafy ka mila tsy ho tantiko
Ny vahoaka ao aminy vao maika mia- sahirana

Misy ny mikiaka mafy hoe: vonjeo re! Fa noana
Mba mangataka izay mba tolo-tanana
Saingy indrisy mantsy fa dia sasam-poana
Satria ny ory  tsy mba havan'ny manana

Ny mahantra tsy mba mahita rariny
Ny manana nefa toa misondrotra ihany
Vao  diso kely ianao dia mahita ny sariny
Ka lasa ny saina hoe ho aiza ihany ity tany

Izao ny zavamisy e!  dia tsy maintsy ekena
Mino anefa fa mbola hivoatra ianao ry taniko
Amin'izay fotoana izay mba hahazo valim-babena
Ka hibitaka sy hifaly ny ato anatiko ato

David Mpikalo (Dmp)
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
148 2
Mpakafy: SANAKERIB - corali
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : David Mpikalo
Nampiditra : Dmp13
Daty : 08/03/2024 09:29
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145