Zanak’iza moa ireny? (Di... (Rahaingoson Henri))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zanak’iza moa ireny
Hitanao mameno tsena
Sao “ankizy dia” manjeny
Fanetriben’ny firenena ?
Zanak’iza moa ireny
Hitanao isa-maraina
Toa mivenjy fotsiny eny
Ankizy adala sa malaina ?
Zanak’iza moa ireny
Avy taiza no nivoahany
Nisintaka ny tranon-dreny
Hiaina izay mba fahafahany ?
Asa lahy, asa kosa
Ary sao dia mba kamboty
Na zanak’olona efa osa
Ka tsy afaka miangoty ?
Ao daholo angamba izany
Nefa izao no tena izy
Ny fari-piainana no ambany
Tsy mahavelona ny ankizy.
Miasa lahy, miasa vavy
Nefa indrisy fa mazàna
Tsy velona ny mpianakavy
Potiky ny fahantrana.
Ny lava-trano izay itoerana ?
Tapatapaka fanitso
Ka vao rivotra miserana
…tafo lanitra ny ampitso.
Izay mba hoe ankizy voky
Nofinofy mahangoly
Mainka moa fa hoe ny boky
Sy fidirana an-tsekoly !
Vao mba misy sombin-kery
Dia atsipy anaty tolona
Alefa hiady samy irery
Ka ny fetra boton’olona.
Dia indreny izy ireny
Mivezika atsy mankaroa
Tsy dia hoe mirenireny
“Raha tsisy ny asa, ahoana moa ?”
Ny sasany mandeha irery
Ao ny miara-droa sy telo
Gaga ianao raha toa mijery
‘Reo kely mbola tsy afa-delo.
Ny fitafiana amin’izany
Lamba tonta sy maloto
Ny fitombenana efa lany
Eny ireo no “Jiolahimboto”.
Zanak’iza hoy ianao
Zanak’iza hoe ireny ?
Ny hany valiny dia izao :
Zanaky ny fireneny !

DI…,1968

Fiaraha-monina, n°38 tak. 107-108
--------
Rohy:
876 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Di... (Rahaingoson Henri)
Nampiditra : hery
Daty : 18/03/2021 18:10
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105