Aro (Diary-ko)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atokako mangina ao anatiko ao,'lay foko mahatsapa
fitia latsa-paka
Atokako mangina, atokako ho anao
'lay foko mahatsiaro
fitiavana ry Aro
Atokako ho anao satria izaho mahalala
f'izaho sy ianao sahala,
samy misy fo te hiara-dia
indrindra fa....
misy fitiavana te hifangia
tsy ho faty sanatria
Fa ao anati-tsika anie ry Aro
no misy fitiavana te hifangaro
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
arofitiavana3