Aleoko (Dieudonné Randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleoko mihitsy mokobona fery ao anatiko ihany.
Aleoko mihitsy tsy misy mpitsetra rehefa tomany.
Aleoko ny fo sy fitiavana kely izay efa mba ahy,
hanorenako mànda tsy mety mikoro ao anaty fanahy.

Fa halako loatra ny hanivaivàna ny dina-pitia.
Halako loatra ny fanovaovàna izay efa nitia.
Ka aleoko mangina tsy mitsaratsara izay fatra-piova.
Aleoko mitony tsy hanetry ny zon'ilay tena fitiavana

Aleoko mahantra tsy voarebireby fa manaja fitia,
satria masin-doatra ilay atao hoe fitiavana
ka tsy azoko hosena
na avela ho zimbain'ny tsy mataho-tody

Dieudonné RANDRIA.
--------
Rohy:
1032 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dieudonné Randria
Nampiditra : tslem
Daty : 08/02/2008 08:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131