antso (dina-vikarozy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miantso anao ry Ray
Ity mpanota efa very
Tsy mahita ifaharana
Tsy mahalala fahasambarana


Ireo fahadisoana efa vita
Sy ireo heloka rehetra
Hifonako eto Tompo o
Aoka Ianao hamindra fo


Tsy ho vitako hafenina
Eo imasonao ny nenina
Aoka Ianao hiantra ahy
Fa marary ty fanahy


Aza avela aho hatsiaro
Ireo ratrako taloha
Aoka Raiko, alaharo
Fa Ianao no lay tsy toha


K’ ireo andro sisa Ray
izay mbola homenao ahy
dia hoentiko hiderana Anao
fa izay no sitrakao



23/08/05
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1468 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : dina-vikarozy
Nampiditra : vikarozy
Daty : 24/08/2005 09:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0528