TANETY LAVA (Doda Rakotonarivo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy noho ireo miaramila Sonegaly sy vahiny
Nirongo fiadiana tamin’ny andro fahagola
No mbola mahatonga ny Malagasy ankehitriny
Ho farahidiny hatrany, mbola gisitra sy kola

Tsy noho ireo mpanjanaka namono sy nangeja
Enim-polo taona lasa izay, eny efa mihoatra
No mahatonga ireo mpitondra ambony miady seza
Sy ny valalabemandry manao sakafo ambany foitra

Tsy ireo izay nanandevo zato taona lasa akory
No mahatonga antsika mbola mahantra sy ory
Fa iza amintsika moa no sahy mitono-tena
Fa tsy teraka tao anatin’ny fahaleovantena

Ny firenentsika no vontom-pahantrana
Dia tsy noho ireo miaramila lazaina nampahory
Namono, nampijaly ireo razana niandohàna
Fony isika izao, tsy mbola nisy hary akory

Fa ny mahatonga antsika ho mbola farahidiny
Mizaka hirifiry sy miaritra ny ngidiny
Dia noho ilay toe-tsaina izay mbola mahonena
Manao apihimamba ny harem-pirenena

Noho ireo mpiray tanindrazana amintsika
Manapa-pahefana sy mampihatra ny tsy rariny
Manao tsindrio fa lavo, manambany, manalika
Ny Malagasy toa azy, mpiray firenena aminy

Noho ireo izay mbola feno fitiavan-tena
Tsy misy hena-maso, mivarotra ny tanindrazana
Manondrana antsokosoko, vatosoa sy volamena
Sy ireo harena samihafa, tsy hita karazana

Noho ireo izay heverina ho mahay taratasy
Tsy sahy mijoro akory amin’ny maha-Malagasy
Hatramin’ny fiteny, fihetsika sy fitafy
Dia nadika bontolo amin’ny fomba avy any an-dafy

Noho ireo izay nanadino fa ny firaisana no hery
Fa tsy nisy tao-trano efan’olona irery
Ny fitiavan-tanindrazana dia fanovàna ny toe-tsaina
Fa tsy vitan’ny hoe Asaramanitra, dia manofahofa saina

Ny fitsinjovana ireo Malagasy mahantra sy ory
Fa tsy vitan’ny mihinana ravitoto sy voanjobory
Dia falifaly ery, sady kevoka no kasy
Fa hoe izy ireo hono no tena Malagasy.

Koa samia tonga saina fa fotoanany izao
Saino izay tokony ho anjara birikinao
Amin’ny fanarenana ity firenena iombonana
Mba hiadam-pinaritra daholo ny ankohonana.
--------
Rohy:
339 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Doda Rakotonarivo
Nampiditra : doda1305
Daty : 13/03/2023 11:53
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097