AVEON'I POETA (Doloïer )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Na tsy hino aza ny olona, ny marina vé hafenina" ohabolana malagasy

"AVELON'NY POETA "

INDRAY andro any
Ho hisy sombin'aina
Ho eny antokotany
Hifoha vao maraina
Hitetety zaridaina

Hiantsa tononkalo
Hihira sy hikalo
Ireto soratsoratro
Andalana tinoratro
ny kanto mba natolotro

Ka hifoha indray
Ilay poeta iray
Matory ao anaty Rangolahy
Noho ny Antsany
Hifoha indray ilay Fanahy
Noho ny Andalana sasany !!!

Ho levona ity vatako
Ho lô 'ty taolako
Fa ny fanahiko
Hatory ao anaty Rangolahiko
Ao izy Avelako
Amin'ARIVO taona hoavy
Ho hisy sombin'aina
Hifoha vao maraina
Hiantsa tononkalo
Hamoa indray ny AVELOKO.

doloïer
18/04/2018
--------
Rohy:
631 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138