MBOLA HOTADIAVINY (Doloïer )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
***MBOLA HO TADIAVINY***


- MBola ho tadidinao ny tambitambiny
Nefa tsy hahita intsony ianao

-MBola hiremby Ireny teny maminy ianao
Nefa izy efa sambatra any antoeran-kafa
Tiany ianao tamin'iny nefa ianao nihafahafa
Efa sitrana izy, izay vao ianao hamerina ny tafa
Saingy efa tsy tafa....

- Mbola hotadiavinao ny tsiron'ny fanginany
Rehefa tojo teny mafy ianao
Nataonao somonga ny fitiaviny
Nankadalainao hatramin'ny teny mamy naloakan'ny vavany.

Nefa ankehitriny, olon-kafa no fihininy,tanan'olonkafa no tantaniny.
Tomany ianao fa efa tara
Tamin'izy tara anao tsy Tara.
Anjaranao dray milaza sy mihonona.
" Ny azy sy anao tsy Anjara "
Hitiava 'zay Tia anao
Fa 'zay Tia adala, nefa tsy Adala gegy !!!

Doloïer
(09/04/2018)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
736 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151