MITADY FITIAVANA MARINA INDRINDRA (Doloïer )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"MITADY FITIAVANA MARINA INDRINDRA. "

Verivery ny saiko ka lasa ambiroa
Namantatra anao aho tetsy sy eroa
Lasalasa vinany, kanefa tsy akory
Ka dia ho alina fotsy aho, Isaka hatory ?

Taitaitran'andian'ankanga zareo
Babon'ny bikany sy hatsaran-peo
Tanora voahisondotro endrikin'ny saha
Kanefa maro-pitia sy maro-pizaha

Irony antitrantitra be fahalalana
Efa leon'ny ditra sy 'rony adalana
Kanefa dia vy mitady harafesina
Masoandro mitsidika andro hafatesana

Sarotra koa ny hanantena
Irony vahiny 'zay tsy hita kilema
Mbola raiki-pitia dia hilaozan'ny mody
Eo hifendrofendro, tsy hahintam-panafody..

Hoentiko aiza izato hatanorako ?
Matahotra ho kenda, ka dia tsy hitsako ?
Fatra-pitady ka dia tsy hahita ?
Matahotra lalina ka dia tsy hiampita ?
Matahotra ho solafaka, ka dia tsy hamindra.
Ho antitra, hiandry " ilay mariny indrindra"..

Doloïer
18/ 03/2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3071 1
Mpakafy: doloier
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0168